Warning
-
Romans 3
- 1 Koa inona ary no tombony ananan’ ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ ny famorana?
- 2 Be ihany amin’ ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’ Andriamanitra ho adidiny.
- 3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’ Andriamanitra?
- 4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady.
- 5 Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’ Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ―
- 6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
- 7 Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
- 8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ ny soa isika,― araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
- 9 Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa;
- 10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
- 11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’ Andriamanitra.
- 12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza.
- 13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka; Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony;
- 14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany;
- 15 Ny tongony mimaona handatsa-drà;
- 16 Fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany;
- 17 Ary ny lalan’ ny fiadanana dia tsy fantany;
- 18 Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra eo anoloan’ ny masony.
- 19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao,
- 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota.
- 21 Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany,
- 22 dia ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy ho an’ izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,
- 23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,
- 24 nefa hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
- 25 Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny ràny ho fanavotana amin’ ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ ny tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ ny nandeferany,
- 26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’ i Jesosy.
- 27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ ny finoana.
- 28 Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna.
- 29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa;
- 30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ ny finoana.
- 31 Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.