Warning
-
2 Chronicles 1
- 1 Ary Solomona, zanak’ i Davida, dia nitombo hery tamin’ ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
- 2 Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia lohan’ ny fianakaviana,
- 3 ka dia niara-niakatra ho any amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an’ Andriamanitra, ilay nataon’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, tany an-efitra.
- 4 Fa fiaran’ Andriamanitra efa nampakarin’ i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin’ izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
- 5 Ary alitara varahina izay nataon’ i Bezalila, zanak’ i Ory zanak’ i Hora, dia teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao.
- 6 Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin’ ny alitara varahina teo anatrehan’ i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
- 7 Tamin’ ny alin’ iny no nisehoan’ Andriamanitra tamin’ i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
- 8 Dia hoy Solomona tamin’ Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’ i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
- 9 Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka teninao tamin’ i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin’ ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
- 10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
- 11 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain’ ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
- 12 dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
- 13 Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin’ ny Isiraely izy.
- 14 Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin’ ireny tanàna fitoeran’ ny kalesy ary tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
- 15 Ary nataon’ ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
- 16 Avy tany Egypta no nahazoan’ i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ ny mpandranton’ ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.
- 17 Ary ny vidin’ ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an’ ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Syriana.
- 18 Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.